<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Jesoa no Mpanavotra FF41</title>
<lyrics>[V1]
 O! iza, iza?
 Iza no hamonjy ahy
 Iza, iza no hamonjy ahy re ?
 Fa rerak'aho e
 Fa dia reraka
 Milonjy entam-pahotana
 Fahotana be

[V2]
 O! manatona
 Manatona an'i Jesoa
 Fa Izy ihany
 Izy no hamonjy anao
 Fa noreseny
 Efa noreseny na
 Ny fasan'aza dia
 Ny fahafatesana ! Ny fasan'aza !
 Efa noreseny izao
 Ny fahafatesana 'lay fahavalonao
 Ka mba mifalia !
 Mifalia ianao
 Fa Jesoa Tompo no
 Mpanavotra anao

[V3]
 Ry Jesoa Tompo ô !
 Ry Jesosy Tompo ô !
 Mba raiso re ny foko
 Ho anao izao !
 Fa famonjena fanavotan-dehibe
 Sy avotr'aina koa
 No he atolotrao Fa novonoina !
 Novonoina Ianao
 Hisolo voina
 Mba hisolo voina anay

[V4]
 Fa noresenao
 Efa noresenao na
 Ny fasan'aza dia
 Ny fahafatesana
 Ny fasan'aza !
 Efa noreseny izao
 Ny fahafatesana 'lay fahavalonao
 Ka mifaly re !
 Ka mifaly izahay
 Fa Jesoa Tompo no
 Mpanavotra anay !</lyrics>
<hymn_number>41</hymn_number>
</song>